John 18

1Taorian’ny nitenenan’i Jesosy ireo teny ireo, dia nivoaka niaraka tamin’ireo mpianany Izy ho eny ampita eny amin’ny lohasan-drika an’i Kidrona, izay nisy saha nidirany sy ireo mpianany. 2Ary Jodasy, Izay hamadika an’i Jesosy, nahafantatra ny toerana koa, satria nandeha matetika teny Jesosy sy ireo mpianany. 3Avy eo Jodasy, nitarika ireo vondrona miaramila sy ireo mpiandry raharaha sasany avy amin’ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo, nandeha tany niaraka tamin’ny fanilo, fanala ary fitaovam-piadina.

4Avy eo Jesosy, izay efa nahafantatra ny zavatra rehetra hitranga Aminy, nandroso teo aloha ary nanontany azy ireo hoe: “Iza no tadiavinareo?” 5Namaly Azy izy ireo hoe: “Jesosy avy any Nazareta.” Ary hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Izaho no Izy.” Jodasy, izay namadika Azy, dia nitsangana niaraka tamin’ireo miaramila ihany koa.

6Ka rehefa niteny tamin’izy ireo Izy hoe: “Izaho no Izy”, dia nihemotra izy ireo ka lavo tamin’ny tany. 7Avy eo indray dia nanontany azy ireo Izy hoe: “Iza no tadiavinareo?” Ary niteny indray izy ireo hoe: “Jesosy avy any Nazareta.”

8Jesosy namaly hoe: “Niteny anareo Aho fa Izaho no Izy. Noho izany raha mitady Ahy ianareo, dia avelao ireto handeha.” 9Izany dia mba hahatanteraka ny teny nolazainy hoe: “Amin’ireo izay nomenao Ahy, tsy nasiko very na iray aza.”

10Avy eo Simona Petera, izay nanana sabatra, namoaka izany ary namely ilay mpanompon’ny mpisoronabe ka nahakapa ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ilay mpanompo. 11Hoy Jesosy tamin’i Petera hoe: “Avereno ao amin’ny tranony ny sabatrao. Tsy tokony hisotro ny kapoaka izay nomen’ny Ray Ahy ve Aho?”

12Noho izany ireo vondrona miaramila sy ny kapiteny, ary ireo mpiandry raharahan’ireoJjiosy, dia nisambotra an’i Jesosy ary namatotra Azy. 13Nentin’ireo tany amin’i Anasy Izy aloha, satria izy dia rafozan-dahin’i Kaiafa, Izay mpisoronabe tamin’io taona io. 14Ary Kaiafa dia ilay nanome hevitra ireo Jiosy fa tsara kokoa raha misy olona iray maty ho an’ny vahoaka.

15Nanaraka an’i Jesosy Simona Petera, ary nanao toy izany ihany koa ny mpianatra iray hafa. Ary fantatr’ilay mpisoronabe izany mpianatra izany, ary niditra niaraka tamin’i Jesosy tao amin’ny kianjan’ny mpisoronabe izy; 16fa Petera dia nijoro tao ivelan’ny vavahady. Noho izany ilay mpianatra hafa, izay fantatry ny mpisoronabe, dia nivoaka ka niresaka tamin’ilay mpanompo vavy izay mpiambina ny vavahady ary nitondra an’i Petera hiditra.

17Avy eo ilay mpanompo vavy, mpianbinana ny vavahady, niteny tamin’i Petera hoe: “Ianao koa ve tsy iray amin’ny mpianatr’io leihilahy io?” Hoy izy hoe: “Tsy izy aho.” 18Ary nijoro teo ireo mpanompo sy ireo mpiandry raharaha, ary nandrehitra afon’arina izy ireo, satria nangatsiaka ny andro; ka nanafana ny tenan’izy ireo. Petera koa niaraka tamin’izy ireo, nijoro teo ary nanafana ny tenany.

19Nanontany an’i Jesosy momba ireo mpianany sy ny fampianarany ny mpisorinabe. 20Jesosy namaly azy hoe: “Niteny ampahibemaso tamin’izao tontolo izao Aho. Nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga sy tao amin’ny tempoly Aho izay nifampintaonan’ny Jiosy rehetra. Tsy nisy nolazaiko tamin’ny takona. 21Nahoana ianao no nanontany Ahy? Anontanio an’ireo izay nandre Ahy momba izay nolazaiko. Jereo, ireo olona ireo dia mahalala izay nolazaiko.”

22Rehefa avy niteny izany Jesosy, dia nisy iray tamin’ireo mpiandry raharaha nijoro teo namelaka tehamaina an’i Jesosy ary niteny hoe: “Izany ve no fomba hamalianao ny mpisoronabe?” 23Jesosy namaly azy hoe: “Raha niteny zavatra diso Aho, mijoroa vavolombelona amin’izany diso izany, fa raha marina, nahoana ianao no mamely Ahy?” 24Avy eo Anasy nandefa Azy mifatotra nankany amin’i Kaiafa ilay mpisoronabe.

25Ary nitsangana Petera ka nanafana ny tenany. Avy eo hoy ireo olona taminy hoe: “Ianao koa ve tsy iray amin’ireo mpianany?” Nandà izany izy ary niteny hoe: “Tsy izy aho.” 26Iray tamin’ireo mpanompon’ ny mpisoronabe, izay havan’ilay lehilahy izay nokapain’i Petera ny sofiny, niteny hoe: “Tsy hitako niaraka taminy tao amin’ny saha ve ianao?” 27Avy eo Petera nandà indray, ary avy hatrany dia naneno ny akoho.

28Avy eo nentin’izy ireo avy tao amin’i Kaiafa ho any anaty rova Jesosy. Mbola maraina be ny andro tamin’izany, ary izy ireo dia tsy niditra tao anaty rova mba tsy ho voaloto fa efa hihinana ny Paska. 29Ka nivoaka teo amin’izy ireo Pilato ka niteny hoe: “Inona ny fiampangana entinareo manohitra ity lehilahy ity?” 30Namaly izy ireo ary niteny taminy hoe: “Raha tsy mpanao ratsy io lehilahy io, dia tsy ho natolotray anao.”

31Noho izany Pilato niteny tamin’izy ireo hoe: “Hentonareo Izy, ary tsarao araky ny lalànareo.” Hoy ireo Jiosy taminy hoe: “Tsy ara-dalàna ho anay ny manolotra olona ho faty.” 32Nilaza izany izy ireo mba hahatanteraka ny tenin’i Jesosy izay noteneniny mba hilazana hoe karazana fahafatesana toy ny inona no hahafatesany.

33Avy eo niditra tao anaty rova indray Pilato ka niantso an’i Jesosy ary niteny taminy hoe: “Ianao ve no mpanjakan’ny Jiosy?” 34Jesosy namaly hoe: “Manontany avy amin’ny tenanao ve ianao, sa nisy hafa niteny anao momba Ahy?” 35Pilato namaly hoe: “Tsy Jiosy aho, sa tsy izany?” Ny vahoakanao sy ireo lohan’ny mpisorona no nanolotra anao tamiko. Inona no nataonao?”

36Jesosy namaly hoe: “Ny fanjakako dia tsy avy eto amin’izao tontolo izao. Fa raha mba ao anatin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia hiady ireo mpanompoko mba tsy hanolorana Ahy amin’ireo Jiosy. Fa ankehitriny ny fanjakako dia tsy avy ety.” 37Avy eo Pilato niteny taminy hoe: “Mpanjaka ary ve izany Ianao?” Jesosy namaly hoe: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Fa ho amin’izany tanjona izany no nahaterahako, ary ho amin’izany antony izany no niaviko eto amin’izao tontolo izao, mba hijoroko vavolombelona amin’ny fahamarinana. Ireo rehetra izay an’ny fahamariana dia mihaino ny feoko.”

38Pilato niteny taminy hoe: “Inona no atao hoe marina?” Rehefa avy niteny izany izy, dia nivoaka indray ary niteny tamin’ireo jiosy hoe: “Tsy mahita heloka amin’ity lehilahy ity aho. 39Fa ianareo manana fomba izay hanafahako olona iray ho aminareo amin’ny Paska. Noho izany tianareo ve ny hanafahako aminareo ny mpanjakan’ny Jiosy?” Avy eo ireo nihiaka mafy indray izy ireo ary niteny hoe: “Tsy io lehilahy io, fa Barabasy.” Ary Barabasy dia mpangalatra.

40

Copyright information for PltULB